<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Sambatra ny mankatò
 Izay lazain'ny Tompon'aina ;
 Sy manaiky eram-po
 Fa hanolotra ny saina,
 Ka mitandrina ny didy
 Toy ny zava-tsarobidy.

[V2]
 Sambatra izay mandà
 Raha taomina hanota,
 Ka na dia halatsa-drà,
 Tsy mba mety resin'ota,
 Tsy ekeny ny mpanimba,
 Na ireo mpanazimba.

[V3]
 Sambatra ny olona
 Izay misaina ao am-pony
 Andro aman-alina
 Ny lazainao, ry Mpamonjy ;
 Fa ataonao toy ny hazo
 Maitso tsara, tsy malazo.</lyrics>
<title>Sambatra ny mankato FFPM330</title>
<hymn_number>330</hymn_number>
<author>P. Nilsen-Lund</author>
</song>